Déclarations 04 Octobre 2021

Discours de Madame Mialy R. RAJOELINA lors de la sortie de promotion Fandresena – Centre spécialisé de Mahamasina le 04 octobre 2021

Andriamatoa Ministry ny Fitsarana,

Andriamatoa Ministry ny Filaminam-bahoaka,

Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka,

Ramatoa Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny fampiofanana arak’asa,

Monsieur le Coordonnateur résident des Nations Unies,

Monsieur le Représentant résident de l’UNFPA,

Madame la Représentante de l’Ambassade de Norvège,

Ianareo mpiaramiombonantoka,

Ianareo mpampiofana,

Ianareo “Promotion FANDRESENA”

Tompokovavy sy Tompokolahy,

Fifaliana ho ahy ny mihaona aminareo eto androany. Koa ny voalohan-teny dia ny fiarahabana sy firariantsoa.

Raha vao nanomboka ity “formation integrée” ity dia ny fampivoarana ny mahaolona na « developpement personnel » no nisantarana azy ny 6 septambra lasa  teo. Natomboka tamin’ny fifankafantarana sy fizarana izany. Tsapa tamin’izay fa nifangaro ny karazana fihetseham-po samihafa :  ny fanaintainana, ny tahotra, ny tebiteby sy harerahan-tsaina, ny fahadisoam-panantenana, ny famoizam-po ary indraindray aza mitady ho alaim-panahy hamono tena mihitsy.

 

30 mirahavavy ianareo. Vehivavy 30 nianjadiany herisetra ary nitady vonjy sy fanampiana teto amin’ny “centre specialisé” Mahamasina.

Androany, manainga antsika rehetra manatrika eto aho mba hitehaka ho azy ireo.

Tena mendrika fankasitrahana izy 30 mirahavavy. Sahy nijoro, nivoaka tamin’ny fahanginana ary nahavita dingana nandresy ny tahotra ka nitoroka sy namboraka ny herisetra niainany.

 

 

Tompokovavy sy tompokolahy,

Misy tolotra samihafa eto amin’ny “Centre spécialisé”. Miompana amin’ny fandraisana an-tanana ireo hiharan’ny herisetra : fandraisana an-tanana araka ny lalàna sy ara-pitsarana, ara-pahasalamana, ary ara-psikolojika.

Efa nisy ihany koa ny fiofanana niompana tamin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy, ny fifehezana ny fihetseham-po, ny fahasalamana, ny fihankinan-doha, ny « masculinité positive », ny fifandraisana ao an-tokantrano : eo amin’ny mpivady ary eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ny zon’olombelona, ny momba ny vehivavy sy ny ankizy, ary ny fampianarana tenona.

 

Ny tanjona dia mba ho feno sy azo tsapain-tanana ny fahalalàna omena ny mpiofana ka hanampy azy ireo hiarina indray entiny hiatrehana ny hoavy.

Amin’ny maha “formation intégrée” azy dia nampiarahana nandritra ny fiofanana ny taranja maromaro. Ny fampivoarana ny mahaolona, ny fitantanana amin’ny fomba tsotra, ny fandrindram-piterahana, ny fampiofanana arakasa toy ny zaitra, ny petakofehy, ny nahandro sy fanamboarana mofomamy.

Mifarana izao ny fiofanana, afaka mirehareha ianareo 30 mirahavavy, ary afaka mirehareha koa izahay rehetra manotrona anareo eto. Tena azo tsapain-tanana ankehitriny ny fivoarana sy ny vokatry ny fiofanana. Ary afaka mahaleo tena ianareo.

Nahafaly ahy ny naheno anareo namboraka fa vonona hiatrika ny fiainana ao anaty fanantenana.

Tsy adino ny mankasitraka ny mpampiofana syn y mpiaramiombon’antoka izay nahafahana nahatontosa ny fiofanana.

Samy nitondra anjara biriky tamin-kitsipo avokoa isika rehetra ka misaotra, mankasitraka!

 

Tompokovavy sy Tompokolahy,

FANDRESENA no anarana nisaloran’ity andiany indraimihira ity. Izy 30 mirahavavy ihany no nisafidy io teny io, entina maneho ny hikiaka tao am-pon’izy ireo. Satria nahazo fandresena tamin’ny herisetra izay mianjady aminy.

Midera manokana ny filofosanareo aho ka nahavita soamantsara ny fiofanana.

Fantatro, fantatray ny mety ho sakana, ny fahasahiranana, ny olana samihafa, nisy mihitsy no voatery nitady hevitra vao afaka nivoaka ny trano isan’andro namonjy ny fiofanana teto Mahamasina.

Ny fanirinay dia hotohizanareo hatrany ny ezaka vita tao anatin’ny iray volana. Entinareo ampiasaina amin’izany ireto “kit de démarrage” ireto izay atolotra am-pitiavana ho anareo.

Hanana tombony ianareo 30 mirahavavy satria ianareo no voalohany hisitraka fampiofanana informatika eto amin’ny ivontoerana. Resy lahatra ary nitovy fomba fijery tamintsika ny orinasa Huawei anatin’ny ady amin’ny herisetra. Ka nanolotra fitaovana informatika ho an’ny « centre spécialisé ». Isaorana azy ireo ny fanomezana nomeny fa tena hanampy tokoa amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona hianjadian’ny herisetra.

Mirary ho avy mamiratra ho anareo 30 mirahavavy, ary hiroborobo anie ny asa fivelomana hataonareo !

Mankasitraka, mankatelina anareo rehetra tonga nanatrika teto androany !

 

Sur le même thème

Déclarations 25 Novembre 2022

Discours de Madame Mialy R.RAJOELINA lors du lancement de l’initiative : Une fille qui apprend, une fille qui gagne – 100 jours d’action – Antananarivo le 25 Novembre 2022

Tompokolahy sy Tompokovavy,   25 Novambra 2022. Daty natokan’ny Firenena mikambana ho fanombohana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanafoanana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy antsoina hoe « 16 jours d’activisme ».   « Fiaraha-monina anaty fitovian-jo : lavitra ny herisetra » no lohahevitra amin’ity taona ity. Ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy dia iray amin’ireo ady mafy amin’izao […]

Lire la suite

Déclarations 04 Décembre 2021

Discours de Madame Mialy R.RAJOELINA lors de la journée de réflexion du réseau des femmes leaders africaines de Madagascar – Antananarivo le 04 décembre 2021

 Madame la Présidente de l’Assemblée Nationale,  Mesdames les Ministres,  Monsieur le Représentant résident des Nations Unies,  Madame l’Ambassadrice de l’Union Africaine,  Monsieur le Représentant de l’UNFPA,  Madame la Représentante de l’ONUDI,  Mesdames et messieurs,   Je suis particulièrement honorée d’être invitée à cette journée de réflexion, dont l’objectif est d’identifier les moyens pour aider les femmes […]

Lire la suite

Déclarations 25 Novembre 2021

Discours de Madame Mialy R. RAJOELINA lors de la Journée Internationale pour l’Elimination de la Violence à l’égard des femmes #orangeday – Iavoloha le 25 novembre 2021

Cette date du 25 novembre 2021, journée internationale pour l’élimination de la violence à l’égard des femmes, est pour nous les femmes, une date importante qui nous permet de manifester notre solidarité. Et aujourd’hui, je veux tout d’abord m’adresser à ces femmes qui subissent la violence, la brutalité.Je veux m’adresser à celles qui souffrent dans […]

Lire la suite

Contact direct 034 67 018 62