Déclarations 25 Novembre 2022

Discours de Madame Mialy R.RAJOELINA lors du lancement de l’initiative : Une fille qui apprend, une fille qui gagne – 100 jours d’action – Antananarivo le 25 Novembre 2022

Tompokolahy sy Tompokovavy,  

25 Novambra 2022. Daty natokan’ny Firenena mikambana ho fanombohana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanafoanana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy antsoina hoe « 16 jours d’activisme ».  

« Fiaraha-monina anaty fitovian-jo : lavitra ny herisetra » no lohahevitra amin’ity taona ity. Ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy dia iray amin’ireo ady mafy amin’izao taon-jato faha-21 izao. Ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy dia iray amin’ireo aretin-dratsy mikiky amin’izao taon-jato faha-21 izao.   

Satria tokoa amin’izao taonjato faha-21 izao dia mbola misy lehilahy tsy mahatanty ny vadiny miasa;  amin’izao taonjato faha-21 izao dia misy ireo lehilahy manala ny filan-dratsiny feno habibiana amin’ny alalan’ny fanolanana.   Eny, amin’izao taonjato faha-21 izao dia misy ny lehilahy mihevitra tsotra izao fa tsy tokony ho maranintsaina noho ny lehilahy ny vehivavy.  Na toy ny ahoana ny fisehony, na inona na inona ny endriny, ny herisetra atao amin’ny vehivavy dia fanitsakitsahana ny zon’olombelona. Manimba azy ary ny takaitra avelany dia miraiki-tapisaka, tsy ho voafafa mandrakizay amin’ny tantaram-piainan’izay hiharany.  

Madagasikara dia manana rafitra ara-dalàna miaro ny vehivavy amin’ny herisetra mianjady aminy, herisetra izay manimbazimba ny hasin’ny vatany. Mitovy avokoa ny olon-drehetra eo anatrehan’ny lalàna, na lahy na vavy, ary sazian’ny lalàna ny fanitsakitsahana izany.   

Koa mila arovana amin’ireo mpanao herisetra ny vehivavy. Noho izany, manao antso avo amin’ny fitsarana aho mba hitsara ara-drariny, amin’ny hitsiny ary tsy hitanila.  Ho fanamarihana ny andro anio dia misy horonan-tsary mirakitra ny fijoroana vavolombelona ataon’i Tiana, Raïssa, Fleurie sy Mbarazafy. Nanapa-kevitra izy 4 mirahavavy hivoaka tamin’ny fahanginana, niala tamin’ny tahotra ka mamboraka amintsika ny herisetra iainany amin’ny andavanandro.  

Midera azy ireo manokana ny tenako. Ary mendrika omena voninahitra izy ireo.  Satria nampiseho fahasahiana lehibe , nitondra ny feon’ireo rehetra nianjadian’ny herisetra. Miara-manaiky isika fa mila tohanana ny vehivavy mba hanana fahaleovan-tena sy fahatokisan-tena.   

Telo taona izay no nirotsahako an-tsehatra, nijoro amin’ny ady amin’ny herisetra. Ary raha mbola hita sy hiainana ny herisetra sy ny tsy rariny mihatra amin’ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina dia hijoro hatrany aho ho azy ireo. Koa mitondra fisaorana feno ho an’izay rehetra nanohana, nanampy, niara-nientana sy nanome tanana amin’izany ady iombonana izany.   

Mankasitraka tompokolahy, mankatelina Tompokovavy ! 

Sur le même thème

Déclarations 04 Décembre 2021

Discours de Madame Mialy R.RAJOELINA lors de la journée de réflexion du réseau des femmes leaders africaines de Madagascar – Antananarivo le 04 décembre 2021

 Madame la Présidente de l’Assemblée Nationale,  Mesdames les Ministres,  Monsieur le Représentant résident des Nations Unies,  Madame l’Ambassadrice de l’Union Africaine,  Monsieur le Représentant de l’UNFPA,  Madame la Représentante de l’ONUDI,  Mesdames et messieurs,   Je suis particulièrement honorée d’être invitée à cette journée de réflexion, dont l’objectif est d’identifier les moyens pour aider les femmes […]

Lire la suite

Déclarations 25 Novembre 2021

Discours de Madame Mialy R. RAJOELINA lors de la Journée Internationale pour l’Elimination de la Violence à l’égard des femmes #orangeday – Iavoloha le 25 novembre 2021

Cette date du 25 novembre 2021, journée internationale pour l’élimination de la violence à l’égard des femmes, est pour nous les femmes, une date importante qui nous permet de manifester notre solidarité. Et aujourd’hui, je veux tout d’abord m’adresser à ces femmes qui subissent la violence, la brutalité.Je veux m’adresser à celles qui souffrent dans […]

Lire la suite

Contact direct 034 67 018 62