Kabary ofisialy – ramatoa mialy rajoelina ho fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy – 8 marsa 2019

Ramatoa Ministry ny Mponina, sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy
Ramatoa Ministra isany, Ianareo olom-biafidy
Ianareo mpiara-miobon’antoka
Ianareo Filohan’ny fikambanana samy hafa, mpiantsehatra amin’ny fiainam-bahoaka
Ianareo ray aman-dreny, zokiolona hajaina
Ianareo rehetra manan-kaja manatrika etoana

Tompokovavy sy Tompokolahy

Hafaliana manokana ho ahy izao fihaonantsika maro be izao, anio 8 marsa 2019, andro iraisampirenena ho an’ny Zon’ny vehivavy
Andro manan-danja tokoa anio, ahatsiarovana ny hetsika isankarazany naneran-tany natao ho an’ny vehivavy.

Fa andro iray ihany koa manana ny lanjany iatrehana ny tsy hefa, hanovana ny tsy mety, hanorenana fiainambaovao ary andraisana andraikitra entitra hanafoanana ny zava-misy mampalahelo sy mahonena mihatra amin’ny vehivavy.

Mba tsy ho atao zinona intsony ny vehivavy Malagasy, fa mba hampiasa ny zony, mba ho re ny feony, ka ho tanteraka tokoa ny fitovianjo marina.

Isaorako etoana, ireo vehivavy rehetra mandray anjara mandritra ity hetsika ity, hita taratra tokoa ny fahasamihafana, ny fahaiza-mamorona, ny fahaiza-manao, sy ny fahaiza-mihary ny vehivavy Malagasy.

Mizara fanantenana ianareo ary amporisihiko hanohy tsy hiato hanao tahaka izay mandrakariva. Mitozó, mijoró ho modely Malagasy amin’ny fahavononana sy ny fikirizana ho an’ireo zanaka sy rahavavintsika rehetra.

 

 

Amin’ity taona ity, ny fankalazana ny 8 marsa dia ampisongadinana manokana ny zo sy ny andraikitry ny vehivavy eo amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Ary mino aho fa tsy diso, raha miteny eto fa manana ny anjara toerany goavana tokoa eo amin’ny fampandrosoana an’I Madagasikara ny vehivavy.
Andrin’ny fiarahamonina tsy hay tohaina, tsy azo hiodivirana, manana fahaiza-manao manokana sy maro karazany ny vehivavy izay te hampandroso marina ity firenena ity.

Tsy haingo fitsiriritra andalambe na ravaka fametraka anjorontrano ny vehivavy fa mpandray anjara feno ao amin’ny izay tontolo misy azy.  Koa ny fanaovana tsinontsinona azy, ny tsy fanajana ny zony sy ny fanambaniana azy tsotra izao; dia hiteraka fatiantoka ho an’ny fiaraha-monina sy ny firenena.

Eny, mpiantsehatra mavitrika eo amin’ny fiaraha monina sy ny firenena ny vehivavy ary manana zo sy andraikitra maha olompirenena azy izy, izay tsy misy mahasamihafa azy amin’ny lehilahy : ny zo hifidy, ny zo hianatra sy ho beazina, ny zo amin’ny fahasalamana, ny zo hiasa sy hahazo karama sahaza, ary ny maro hafa. Tsy ny vehivavy ihany anefa no nahazo tombony tamin’izany fa ny lehilahy sy ny tanora ihany koa.

Mitovy noho izany ny adidy sy ny andraikitry ny lahy sy ny vavy eo anatrehan’ny fanjakana sy ny lalàna. Na izany aza, mbola hita taratra eo amin’ny fiarahamonina ihany ny tsy fitoviana sy ny sakana samy hafa.
Betsaka no mbola miaina fanavakavahana, herisetra fa indrindra miaina fahantrana lalina.

Ny fihatrehana izay zava misy mitanila sy tsy rariny izay no miteraka andraikitra vaovao ho an’ny vehivavy: lasa adidy ny manantena, ny mikiry, ny mifofotra sy ny mivonona.

Isan-taona, manomboka izao, dia tokony ho ataontsika ho famporisihina ny vehivavy ny 8 marsa. Ho famporisihina azy ireo mba hanohy ny ezaka fanovàna ny fotopisainana sy toe-piainana. Satria, tsy mendrika hiharitra ny mafy sy hijaly isika vehivavy.
Tsy tokony ho antsoina hoe “Fanaka malemy” intsony ny vehivavy.
Satria sady tsy fanaka, no tsy malemy ihany koa.

Ry vehivavy Malagasy, ry namako, ry rahavaviko,
Ho porofoantsika amin’ireo mpiara-belona fa matanjaka isika, matanja-tsaina ary maha-vita azy tokoa. Anjarantsika ny manainga ireo namantsika, manainga ireo vehivavy rehetra miara monina sy mifanena amintsika.

  • Adiditsika samy vehivavy ny miray hina, ny mifampitsinjo, ny mifanohana.
    Tsy tokony hisara-bazana isika ary tsy tokony hifampitsikera intsony raha maniry tokoa ny fanovana sy ny fametrahana ny vehivavy eo amin’ny toerana tokony hisy azy.
  • Adiditsika ny mitaky ny zontsika sy ny fanatanterahana ny andraikitsika amim-pahamendrehana sy amin-kalalahana.
  • Adiditsika ny mivondrona mba hiasian’ny fitovian-jo marina sy mitoetra eo amin’ny lahy sy ny vavy.
    Tsarovy mandrakariva ihany koa ry namako, fa be ny mpitsikera, be ny mpanatsatso sy ny mpanenjika. Tsy mihatra aminao irery izany fa toe-javatra iainako ihany koa. Noho izany dia:
  • Adiditsika ny mitsinjo ny tenantsika, ny mitondra fitiavana ao am-pontsika.
  • Adiditsika vehivavy ny miaro izany fitiavana izany, ny miaro ny maha-ianao anao manoloana ny herisetra sy ny tsy rariny.

Fantaro fa tsy lahatra sy anjara izany fijaliana izany.

  • Zonao ny mahita mamiratra
  • Zonao ny mifaly
  • Zonao ny ho tiavina sy hajaina
  • Zonao ny fahasambarana ary adidy sy zonao ny mijoro sy miady hoan’izany.

Modely tsara indrindra hoan’ny ny zanany ny reny sambatra.
Fanomezana tsara indrindra hoan’ny ray aman-dreniny ny zanakavavy mitsiky, mifaly sy mivoatra.

Marihako ihany koa fa manana adidy isika hifandray sy hifanakalo hevitra amin’ireo lehilahy.
Mila mifampiresaka amin’ireo lehilahy isika mba ho fantany fa tsy raisitsika ho fahavalo izy ireo.

Rehefa sendra mila tambitamby sy haingam-panahy ianareo dia eo foana ny vehivavy. Ny vehivavy koa etsy an-daniny dia mila fanohanana avy amin’ny lehilahy.
Irinay ianareo lehilahy, mba hahatsapa sy hahatsiaro izany hatrany.
Manentana anareo ihany koa mba hiezaka hikolokolo hatrany ny vehivavy ary hanolotra azy ireo ny hasina sy haja mendrika azy ireo.

Na Malagasy ianareo na olompirenena hafa. Eto Madagasikara ianareo, noho izany dia mpiantsehatra amin’ny fiaraha monina Malagasy.

Amin’ny anaran’ireo namako vehivay, rahavaviko sy ny ankizy Malagasy rehetra, dia manolo-tànana aminareo aho, ndeha ho resentsika ny fanavakavahana sy ny herisetra mba hananganantsika fiaraha-monina Malagasy mahay mifandray, mifampitsinjo sy mivoatra.

Mila fanovana mahery vaika isika anaty fifanotronana, anaty firaisankinan’ny lahy sy vavy tonga saina sy mifanaja no ahafahantsika manatanteraka ny fampandrosoana isandratan’I Madagasikara

Anio ary, dia manao antso avo aho !
Miantso anareo, ny lahy sy ny vavy tsy ankanavaka.
Miantso anareo hanatevin-daharana amin’ny ezaka lehibe ho atao.

Ampy izay ny herisetra atao amin’ny ankizy sy ny vehivavy.
Atsahatra hatreo ny tsi-firaharahiana ny loza mihatra amin’izy ireo.

Andao hiara hijoro sy hitambatra ho ala, fa izao zava-misy ankehitriny izao dia tokony atsahatra sy foanana hatreo.

Vonona aho!
Vonona aho ny hampiasa ny aiko rehetra hiadiana amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy. Tsy hikely soroka aho ho anareo!

Ry namako, kihondalana manandanja eo amin’ny tantaran’i Madagasikara ny zava-nitranga tamin’ny fiandohan’ity taona ity: mangetaheta fiovana ny Malagasy ary naneho fahavononana hanova sy handray an-tànana ny ho aviny.

Nasehontsika ho hitampoko hitampirenena, fa efa matotra sy nitombo fahendrena ara-politika ny Malagasy.
Tonga izao ny fotoana hanehoantsika koa ny fahamatorana ara-kolotsaina sy ara-tsosiali-ntsika.

Farany, mankasitraka anareo rehetra tonga nanotrona izao fankalazana eto Mahajanga izao.
Tolorako fisaorana ihany koa ianareo rehetra, na mpandray anjara na ny mpiara-miombonantoka na ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, niara-nisalahy nahatontosa izao fankalazana izao.

Ndao hiara hientana, ndao hiasa amimpirahalahiana, anaty fifankahazoana sy fandriampahalemana mba ho tontolo mirindra, mivoatra tsy manavaka na iza na iza ny fiaraha-monina Malagasy.

Vitan’i Madagasikara izany ary mendrika izany ny Malagasy

Misaotra tompokovavy, mankasitraka tompokolahy

Mialy Rajoelina,
Première Dame de Madagascar